Vita hatramin’ny farany ny fanadihadiana nataon’ny zandary ary voasambotra ireo tompon’antoka tamin’ny raharaha. Izany dia mahakasika ny famonoana ho faty ny mpifankatia izay natsipy tetsy amin’ny ranon’i Tanjombato nony avy eo. Voamarin’ny zandary avy amin’ny fitsirihana ny tambajotra sosialy facebook izay nampiasain’ilay tovovavy, fotoana talohan’ny nahafatesany (02 aogositra 2018), fa hiakatra aty Antananarivo izy mba hividy solosaina iray izay ilainy amin’ny fianarany. Tapaka teo, tamin’ny resaka nifanaovany tamin’ny olona fa any amin’ny namany izy no hivantana sy hipetraka. Koa satria aty an-drenivohitra koa ny olon-tiany dia tonga nitsena azy sy niaraka taminy hatrany. Izany rehetra izany anefa dia efa nisy nanara-maso ary fantatr’ireo olon-dratsy hatramin’ny fotoana hahatongavan’ilay tovovavy eto an-drenivohitra. Ny alin’ny 03 aogositra izy ireo no hita faty tetsy Tanjombato ary ilay tovovavy dia niboridana tanteraka. Teo no nanomboka ny fitoriana izay napetraky ny fianakaviana teny anivon’ny polisy misahana ny heloka bevava izay taty aoriana, araka ny fifanarahan’ny vondrona roa tonta, dia navadika teo amin’ny zandary. Rehefa nandeha ny fanadihadiana rehetra dia telo lahy izay mpiasan’ny orinasa afaka haba etsy Tanjombato no nosamborina. Izy ireo no voalaza fa nitsena ary namono nony avy eo. Mazava ho azy izany fa atidoha nikotrika ilay namana izay saika hivantanina tato Antananarivo. Vola vidina solosaina izay raha betsaka indrindra dia iray tapitrisa ariary izany no namonoana olona roa, indrindra koa olona roa izay efa nikasa ny hivady. Tsy vitan’izany fa namana akaiky izay saika hiantranoana aza no tompon’antoka tamin’ny famonoana. Mahatonga saina ny fifandraisan’ny fiaraha-monina ankehitriny ary raha vao resaka vola dia efa misy mikasa hifofo ny aina ary mivadika tanteraka na ny namana aza. Saingy diso ihany ireo mpamono olona no sady tsy nahazo na inona na inona satria ilay vola dia saika tato Antananarivo izay vao nalaina tamin’ny banky. Efa vita anefa ny heloka bevava ary raha araka ny fanazavan’ny zandary dia niaiky izany ireo olona telo ireo nandritra ny fanadihadiana azy ireo. Mendri-piderana ny mpanao fanadihadiana rehefa mahavita ny asany toy izao. Mila fantatry ny besinimaro mantsy ny anton’ny heloka bevava izay mirarakompana ankehitriny mba hahafahan’ny tsirairay mandray andraikitra amin’ny fiainany.
D.R