Toy ny isan-taona amin’izao vanim-potoanan’ny maintany izao, dia mandripaka ny barika, ka anisan’ny nahitana izao trangan’aretina izao ny ao amin’ny distrikan’Antanambao-Manampotsy, ka betsaka ny fatiantoka mahazo an’ireo mpiompy akoho, ankoatra ny tsy fandriampahalemana. Tsotra ihany ny fanefitra amin’io barika io, hoy ny mpiandraikitra ara-pahasalamana eo main’ny biby any an-toerana, dia ny fanaovana vakisiny ny akoho alohan’ny fotoana. Betsaka ny fanentanana natao momba izany, nefa tsy vitsy ihany koa ireo mpiompy no tsy mety manaraka ny torohevitra mahasoa, hoy ity veterinera ity. Anisan’ny seha-pihariana mampiditra volabe ny fiompiana akoho no sady anatin’ny fotoana fohy ao amin’ny distikan’Antanambao-Manampotsy, nefa mbola vitsy amin’ireo mpiompy no mampiasa ny tekinika manara-penitra, ka lasa fantiantoka ho an’ireo ankamaroan’ny mpiompy. Raha eo amin’ny tsena anatiny, dia mbola malalaka ny tsena. Misy ny ezaka ataon’ny fanjakana amin’ny faritra vitsy, miaraka amin’ireo mpiara-miombona antoka amin’ny fanatsarana ny fiompiana akoho gasy, izay tsapa fa tsy mitsahatra miakatra vidy ao an-tsena ary famoronana asa ho an’ireo tanora.
Anastase