Manao ranolava tanteraka ny resaka fakàna an-keriny any amin’iny faritra Betsiboka iny. Ary ny eo votsotra, ny hafa lasa indray ! Ny fiandohan’ny herinandro lasa teo, dia olona efatra, saika ankizy avokoa ny telo tamin’izy ireo no lasan’ireo olon-dratsy tao amina toby fihadiana volamena iray ao amin’ny kaominina Maevatanana Faharoa.
Raha ny fampitam-baovaon’ny namana avy any an-toerana, dia zanaka mpandraharaha iray monina ao amin’ny fokontany Andramy ireto nalain’ireo dahalo an-keriny ireto. Tokony ho tamin’ny iray ora maraina tany ho any no tonga tao amin’io tobim-bolamena io, toerana tsy lavitra an’i Betsiboka ireo dahalo. Nahatratra tany amin’ny roapolo lahy tany izy ireo raha ny vaovao azo, izay nirongo basim-borona sy « kalach ». Narefodrefotr’izy ireo avy hatrany ny fitaovam-piadianana teny an-tanany raha vao niditra ilay toby izy ireo mba tsy hahafahan’ireo olona mivoaka. Ireo zanaka mpandraharaha ireto no avy hatrany dia nataon’izy ireo lasibatra ary nandeha niala toy ny tsy teo izy ireo. Efatra ireto olona lasa ireto, roa lahy ary roa vavy izay 18 taona ny zokiny indrindra ary 12 taona ny zandriny indrindra. Tsy niandry ela fa ny antoandron’io fakàna an-keriny io dia nifandray tamin’ny fianakavian’ireo zaza ireo olon-dratsy. Vola manodidina ny 20 tapitrisa ariary no takian’izy ireo ho famotsorana ireto tsy manan-tsiny ireto. Hatramin’ny omaly, dia fantatra fa tsy mbola nisy ny fandoavana ilay vola ary tsy mbola votsotra noho izany ireto olona eny am-pelan-tanan’ireo malaso ireto.
Marihana, fa faninefany amin’ity no nisiana trangana fakàna an-keriny tany amin’iny faritra iny. Saika mitovitovy avokoa anefa ny paikadin’ireo dahalo manatanteraka izany asa ratsy izany. Azo heverina ary ve araka izany fa mety ho andian-dahalo iray no ao ambadik’ireto trangana fakàna an-keriny ireto ? Somary sarotsarotra ny hamaly ilay fanontaniana. Indrindra moa fa hoe somary miahotra hanatona mpitandro filaminana ireo fianakaviana lasibatr’izany fakàna an-keriny izany, noho ny fampitahoran’ireo olon-dratsy ny hamonoana ny havany. Na izany na tsy izany anefa dia mandray an-tànana ny raharaha hatrany ireo tompon’andraikitra amin’izany ary miezaka mikaroka olon-dratsy sy manavotra ilay lasa takalonaina.
m.L / Ratantely