Inspektera teo aloha izy. Nisy nanafika tao an-tranony ity polisy efa misotro ronono ity, ny alin’ny talata teo, teo amin’ny fokontany antsoina hoe Andrefan’ny gara. Naratra mafy ny tenany rehefa nifanojo tamin’ireo jiolahy ary tsy izy irery fa ny fianakaviany koa dia isan’ny voadaroka nandritry ny fandrobàna. Noezahina nentina teny amin’ny toeram-pitsaboana mba ho fanavotana azy saingy tsy tàna ny ainy. Milaza ny mponina ao an-toerana fa mandry andriran’antsy ankehitriny noho ny fisesin’ny asan-jiolahy. Vao tamin’ny zoma lasa teo koa no nisy fanafihana hafa izay nandratràna olona iray. Amin’ny valo ora alina no nisy nanafika ny hotely iray ary notifiriny ny olona. Nisy naratra mafy fa mba tsy nisy aina nafoy aloha. Efa ela no fantatra fa faritra mena amin’ny asan-dahalo ny kaominina izay manodidina an’i Tsiroanomandidy. Izao kosa anefa dia efa ao an-tampon-tanàna mihitsy no miditra an-tsehatra ny jiolahy izay mitam-basy hatrany. Raha tsiahivina dia efa nisy ny ezaka nataon’ny fanjakana momba ny ady amin’ny tsy fandriam-pahalemana any amin’ny faritr’i Bongolava. Izany dia avy amin’ny fametrahana ny bataillon inter-armes na ny toby izay hivondronan’ny mpitandro ny filaminana mikambana. Ny ady amin’ny asan-dahalo no tena nifantohan’izany. Izao indray anefa toa lasa mihazo ny tampon-tanàna ny olon-dratsy izay tsy mbola fantatra mazava na dahalo na koa jiolahy mpanafika avy any amin’ny faritra hafa. Miseho amin’ny endrika samihafa ny tsy fandriam-pahalemana amin’iny faritra iny ary miainga avy amin’ny fanafihana eny amin’ny lalam-pirenena aloha. Ny asan-dahalo no manarak’izay ary izao dia ny fanafihana ao an-tampon-tanàna indray no mampihoron-koditra ny olona.
D.R