Nitrangana hay trano indray teto Antsirabe ny sabotsy maraina tokony ho tamin’ny 6 ora maraina teo. Trano iray miorina eo ampitanan’ny Hopitaly Avé Maria no may kilan’ny afo tanteraka. Mitovy fiseho hatrany ireo hay trano misesisesy eto Antsirabe. Tsy misy olona ao an-trano fa mihidy hatrany ny varavarana rehetra, ka ny setroka efa midonaka be no manaitra ny manodidina. Voalaza mantsy fa niala vao mangiran-dratsy tao an-trano ilay renim-pianakaviana nandeha niasa, ny zanany lahy kosa nandeha nikotrana, raha ny fanazavana voaray. Zaza lahy kely, tokony ho 4 taona teo ho eo no nilalao teo an-tokotany. Kila ny trano, tsy nisy avotra intsony ny entana rehetra fa levon’ny afo avokoa. Ny varavarana no nopitsohana nidiran’ny mpamono afo, saingy efa nijoalajoala ny afo ka ny fanakanana azy tsy hitatra sisa no natao. Ny kaominina Antsiarbe ambonivohitra rahateo tsy mbola manana irony fitaovana mpamonjy voina irony ka dia ny herim-batan’ny mpiray tanàna no hany hery hiadiana amin’ny afo rehefa misy loza toy izao. Tsy fantatra mazava ny niandohan’ny afo, tsy azo lazaina ho fifampikasohan’ny herinan’aratra, hoy ny mpifanila vodirindrina, satria izy ireo no nisontona ny tariby mitondra ny herin’anatra vantany vao nidonaka ny afo. Soa aloha fa tsy nisy ny aina nafoy, na naratra fa dia ny fahavoazana no be. Levon’ny afo tao anaty minitra vitsy mantsy ny fananana nohariana tao anaty taona maro.
Andry N.