Ny sabotsy teo tokotokony ho ny mitatao vovonana tany ho any no nandeha mafy dia mafy ity fiara Peugeot 305 ka nifaoka olona teny amin’ny sisin-dalana. Marihina fa greffier ao an-tanana no tompon’ity fiara nandona olona ity. Naratra mafy tokoa ilay rangahy ka nisahotaka izay nahita ary nitondra azy teny amin’ny hopitaly . Noho ny rà very taminy anefa dia tsy tonga tany amin’ny hopitaly dia tapitra ny ain’ity voadona.
Teo anoloan’ izany ary dia nentim-pahatezerana ny havan’ny maty ary tsy nanaiky ka namoaka vava izy ireo fa handoro ny Tribonaly ao Port-Berger ho valifaty amin’ny havany maty.Teo anoloan’izany dia nisavorovoro ny tao an-tanana ka nandray ny andraikiny ny mpitandro ny filaminana tany ary nametraka zandary 6 hiaro ny tribonaly tany an-toerana. Tena efa maimbo rà tokoa ny olona amin’izao ka mila mitandrina eo anivon’ny fiaraha-monina , satria mety mampitatra ny toe-draharaha ny tsy fitandremana ka mitarika savorovoro eo anivon’ny tontolo manodidina.
ALEM