- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversAnkorahotra : Nisy nitory ny “restaurant thailandais” iray noho ny sakafo lany...

Ankorahotra : Nisy nitory ny “restaurant thailandais” iray noho ny sakafo lany daty

Ao amin’ny polisy miandraikitra an’iny boriborintany iny no nipetraka ny fitoriana ny alahady lasa teo. Toa izao ny zava-nitranga, raha araka ny fitantaran’ny mpitory. Nisy ranom-boankazo izay efa lany daty nomen’ilay toeram-pisakafoana. Koa satria, noho ny hatsaran’ny toerana, dia tsy nisy nanana eritreritra ny hijery izany ilay fianakaviana mpanjifa. Rehefa nisotro, izay vao nahatsikaritra fa misy tsiron’asidra ilay rano fanalana hetaheta. Teo no nanomboka niakatra ny feo raha nangataka ny hahazo ny tompon’andraikitra ireo mpanjifa. Tompon’andraikitra izay tsy neken’izy ireo mihitsy ny hihaona aminy, raha araka ny fitarainan’ilay fianakaviana hatrany. Nahatsapa ireo fianakaviana, fa tsy mba nisy fanajana mihitsy, satria valy boraingina hatrany, sady miendrika fanambaniana no valin’izay rehetra nanontaniana tamin’ilay ramatoa izay solon’ny tompon’andraikitra voalohany. Raha ny fantatra, dia lasa any ivelany ny tena tompon’io toerana io ary io ramatoa io no nasainy miandraikitra vonjimaika ny asany. Rehefa nomena indray ny fitambaran’ny lany dia hita fa sady tsy nisy NIF no tsy nisy STAT ilay faktiora. Nantsoina ny laharana teo amin’ilay taratasy ary tsy nandeha koa. Tsy nanaiky hatramin’ny farany ireo fianakaviana izay narary koa ny roa tamin’izy ireo, ny alin’iny. Ny iray tsy maintsy nentina teny amin’ny “Clinique” rehefa nandoa tsy an-kijanona. Iny mba sitrana ihany fa ilay faharoa kosa tsy maintsy naiditra hopitaly ary mbola any hatramin’ny omaly. Nipetraka ny fitoriana noho ny fandrahonana, ny fivarotana entana lany daty ary ny fampiasana hosoka. Samy efa nohamarinin’ny mpitsabo, fa tena narary tokoa vokatry ny fihinanana sakafo misy poizina, ary nisy iray naiditra hopitaly, ny momba ireo olona izay nentina notsaboiny.  Handrasana arak’izany ny fivoaran’ity raharaha ity. Raha any ivelany no voamarina avokoa ny porofon’ny fitoriana toy izany, eo no ho eo ihany dia misy didy manidy ny toerana, satria mety hitera-doza ho an’ny hafa.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici