Manoloana ny fanosoram-potaka atao amiko mikasika ny Barea dia tiako ny mitondra izao fanazavana izao izay heveriko fa mety handaminana ny raharaha ary niniako hatao amn’ny teny malagasy sao misy handika vilana eo indray.
Tsy nisy resaka ny hanesorana an’i Faneva Ima sy Bôlida izany fa nentina handrangitana fotsiny izany.
Ny resaka nifanaovanay olona vitsivitsy teo antokontan’ny FMF dia resa-bola hoe tsy ampy intsony ny hon enti-manana hanaovana ireo lalao roa manaraka. Dia niteny aho tamin’izay fa mba tsy hialantsika an-daharana dia maninona raha ireo mpilalao eto an-toerana no miantoka ny fandraisana ny Soudan ary ireo expatriés kosa no mandeha any Dakar satria mora kokoa ho azy ireo ny mamonjy any Sénégal. Izay tsy nisy hanalana ny zavatra nambarako fa lainga ny mihoatr’izay.
Nanome tsiny ny kapiteny Faneva Ima koa ny tenako satria tsy tokony noentiny hiadina hevitra intsony ny fizarana ilay primes nataon’ny Filoha Rivo Rakotovao fa tokony nijanona tamin’iny 33 x 3 millions ariary iny. Tsy nilaza kosa anefa aho fa tsy ilaina i Faneva Ima Andriatsima fa na ny fahaizany mifehy ny olony eo ambony kianja aza dia efa zava-dehibe. Hita soritra izany teny Vontovorona rehefa noesorina izy.
Ny mikasika an’i Bôlida manokana dia raha misy olona voalohany nanao izay nahatafaverina azy ao anatin’ny ekipam-pirenena taorian’ny ady nifanaovan’izy sy ny filoha teo aloha Ahmad de izaho no faharoa satria hitako sy tsapako fa mbola ilaintsinka izy.
Tsy hidirako ny resaka hafa mihoatra ireo voalaza ireo fa mampitandrina kosa aho amin’ny fanompana sy ny fandrahonana fa handray ny andraikitra momba izany raha mbola mitohy. Aza heverina ho faharesana ny fandeferako satria fantatro fa raha hapoaka io ary entina eny amin’ny Fitsarana dia mbola misy hovoarohirohy ao indray ireto namako ireto. Satria hatreto aloha dia mbola mihevitra aho fa samy namako na i Bôlida na Ima.
Clément RABARY