- Publicité -
samedi, mai 10, 2025

Tapatapany

Morondava :Dahalo nanafika tafaverina ny omby 90 .Ny 18 may teo tao amin’ny tanàn’ Analaiva Morondava no nidina nanafika ny dahalo 20 nirongo basim-borona. Lasan’ireo mpanafika tamin’izany ny omby 100,vola mitentina 215.000ar, valizy iray ary antontan-taratasy mikasika ireo omby nangalariny ireo. Tsy nanaiky ny fokonolona tao an-toerana ka namaly avy hatrany ary roa tamin’izy ireo naratra, tafaverina tamin’ny tompony kosa ny omby 90 ary mbola eo am-pikarohana ny ambiny ny mpitandro filaminana sy ny fokonolona any an-toerana.

Manjakandriana : Ombin-tsarety 2 maty voadonan’ny fiara. Teo amin’ny tanàn’Ampaneva RN4 (PK33+200) ny sabotsy hariva teo no nisy fiara Toyota 4X4 tsy mataho-dalana iray nisongona ity sarety, ka tsy nahavita izany fa nitrongy ity sarety ka nahafaty ny omby 2 ary naratra mafy kosa ilay tompon’ny sarety .Ilay mpandroaka sarety kosa efa nahazo ny fitsaboana sahaza azy.

Omby iray nisy nangalatra. Ny alahady hariva teo tao Ambohitrolomahitsy ,handeha hanangona ny omby hody ity rangahy iray no nahatsikaritra fa tsy ampy iray ny omby nampidirina ao am-bala.Nampandre haigana ny zandary izy tamin’izany ka efa eo am-panaovana ny fikarohana ny tompon’andraikitra any an-toerana.

Nangonin’i Alem

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser