Ny “universiade”, dia fifaninanana aran-kolontsaina sy fanatanjahantena karakarain’ny fampianarana ambony. Sambany amin’ity taona ity ny ISTA (Institut Supérieur de Technologie d’Ambositra) no handray izao hetsika izao, izay ho atao ny faha 17 novambra ka hatramin’ny faha 24 novembra ho avy izao, ka ny “université” rehetra na miankina na tsy miankina no handray anjara amin’izany.
Na dia eo aza ny fanomanana rehetra, dia hita ho sahiran-tsaina ireo tomponandaraikitra eto amin’ny faritra Amoron’I Mania fa indrindra indrindra ny ao amin’ny ISTA nohon’ny haintrano nahazo ny trano iray izay natokana handraisana ireo mpandray anjara, ka nahamay ny fitaovana maro samihafa ny 25 oktobra lasas teo. Ho hita eo ny tohiny.
Anastase