- Publicité -
samedi, mai 10, 2025
AccueilFaits-DiversFanondranana olona : Miseho amin’ny endrika vaovao indray

Fanondranana olona : Miseho amin’ny endrika vaovao indray

Mbola mitohy saingy amin’ny endrika vaovao indray ny fanondranana olona. Tsy mandalo Nairobi toa ny mahazatra intsony ireo olona haondrana fa ao Maorisy kosa no maka fiaramanidina, izay mizotra any amin’ny firenena arabo. Torak’izany ihany koa, lazaina ho mpizahatany izy ireo ary hangatahina 90 andro. Rehefa any dia omena taratasy manamarina fa misy asa ary dia miova indray ny “visa”. Tsy misy olana mihitsy ny fiaingan’izy ireo eto an-toerana satria efa “voatondraka” ny ambaratonga isan-karazany izay tokony hanadihady ny fahamarinan’ny dosie. Dia mivoaka toa ny olon-drehetra misy taratasy ara-dalàna ihany ireo olona; izay ny fahafatesana no miandry azy ireo matetika noho ny herisetran’ny mpampiasa azy. Ny mahatalanjona dia efa fantatr’ireo vehivavy mazava tsara ny mety hanjo azy nefa dia mbola maro ihany no roboka. Mazava fa eo ihany ny fahantrana fa ny fitiavana hijery ny any an-dafy koa no heverina fa mainka mandrisika ireo vehivavy…

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser