Tsy mbola milamin-tsaina ny olona ao Amboasary atsimo, indrindra ireo izay nitsoa-ponenana avy any Andranondambo. Saika isan’andro ny fivoariana ao an-toerana no misy ary torak’izany ihany koa ny fanentanana isan-karazany momba ny tsy tokony hiadian’ny samy olon-tsotra. Ankoatr’izay dia mandeha ny fanampiana ho an’ireo izay heverina ho mpitsoa-ponenana avy any Andranondambo. Miditra an-tsehatra amin’izany ny Croix-Rouge sy ny BNGRC ary ny Vokovoko Manga. “Mbola betsaka ny olona tsy hita faty fa hatreto aloha dia 35 no hita maso. Ny enina amin’ireo no fantatra anarana” hoy ny loharanom-baovao iray izay mponin’Andranondambo. Hatreto dia mionona amin’ny fangalàna ireo entana izay heverina ho halatra tao Andranondambo nandritra ny fanafihana no ataon’ny mpitandro filaminana, raha araka io loharanom-baovao io hatrany. Omaly dia nahatratra 1300 ny isan’ireo olona izay tonga ao Amboasary-atsimo. Nitsoaka avy any Antranomaro, Ankihira, Ankazoabo. Nomena fanampiana izy ireo ary nomena sakafo ihany koa. “Potika tsy misy noraisina Andranondambo. Hatramin’ny fiangonana aza noravain’ireo mpanafika”, raha ny fanazavana azo. Tsy fantatra ihany koa raha mbola mitohy ny haza lambo any anaty ala any. Ny antony dia samy nanavotra aina ireo olona ka tsy nisy nifankalala vaovao intsony. Raha ny fijerin’olon-tsotra azy dia fikasana hanjanaka tany no tena vontoatin’ity raharaha ity. “Noho ny fandroson’Andranondambo dia maro no nitsiriritra azy. Teo amin’izay no nitsiry ny hevi-dratsy haka azy amin’ny alàlan’ny herisetra. Izay hatreto no heverinay fa anton’ity fandrobana ity”, raha ny fanazavana hatrany. Hisy ny fihaonana anio ao Amboasary-Atsimo ary hisy ihany koa ny fidinana an-tsehatra any Andranondambo mba hijerena izay sisa tavela. Handrasana ny mety ho fivoaran’ny raharaha. Fantatra rahateo fa hidina any an-toerana ny lehiben’ny Zandary ary ho fantatra raha hisy ny fisamborana ireo nahavanon-doza na kosa entina amin’ny firaharahana ny fandravonana ny ady.
D.R