- Publicité -
lundi, juillet 14, 2025
AccueilFaits-DiversAmbano Antsirabe : Rangahy nandoro biriky, hita faty tao an-davadrano

Ambano Antsirabe : Rangahy nandoro biriky, hita faty tao an-davadrano

Nivoaka ny trano ity raim-pianakaviana iray ny faran’ny herinandro teo, handoro biriky eny an-tanimbary no nivoahany kanjo tsy niverina intsony fa maty latsaka tao an-davadrano. Ny vinantovaviny handeha hatsaka maraina no nahita ny razana tao an-davadranon’ny fiangonana ao Manazary. Araky ny loharanom-baovao, dia avy  namonjy ny diaben’ny antoko TIM tamin’ny fampielezan-kevitra izy ny zoma hariva, io hariva io ihany  taorian’ny fisakafoana hariva dia nandeha handoro biriky ity raim-pianakaviana ity. Tokony ho tamin’ny 9 ora sy sasany alina anefa tsy mbola niverina ilay rangahy ary tsy nisy afo nirehitra teny an-tanimbary. Nihevitra ireto zanany, fa mety ho nisy dia hafa nalehan’ny rainy. Tokony ho tamin’ny 5 ora maraina anefa, raiktira ny kiririoka sy antso lava fa misy faty hitan’ny olona ao an-davadrano. Teo vao gina ireto zanany fa hay ilay rainy io hita faty tao io. Manodidina ny 50 taona eo ilay rangahy ary namela kamboty  folo mianadahy.

Andry N.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici