- Publicité -
samedi, juillet 5, 2025
AccueilFaits-DiversMoramanga : Mpivady antitra maty nisy nikapa famaky tao an-tranony

Moramanga : Mpivady antitra maty nisy nikapa famaky tao an-tranony

Mpivady efa samy zokiolona75 taona sy 67 taona no niara-maty voakapan’ny antsy tao an-tranony ny alin’ny 19 may, tokony ho tamin’ny valo ora sy sasany, tao amin’ny fokontany  Mandrota kaomin’Amboasary. Tsy nisy ny zavatra lasan’ireo olon-dratsy fa ny trano no nakorontan’izy ireo, indrindra izay toerana rehetra azo nosavaina dia nakorontany avokoa dia izy mivady samy voakapa teo amin’ny vavany sy ny lohany ary trano nihosin-dra no novantanan’ilay mpanampy ao aminy izay hiditra hamonjy ny asa fanaony isa-maraina tokony ho tamin’ny enina ora maraina ny 20 may. Izy  avy eo no niantso ny manodidina rehetra sy ny zandary eny an-toerana. Anaty tamboho ary 50 metatra miala io toerana io vao misy mpiara-monina mipetraka. Mpandray fisotroan-dronono ratompokolahy ary izy no talen’ny EN1voalohany teto Moramanga. Zendana ny manodidina satria izy ireo no olona voalohany nanentana ny mpiara-belona aminy ho tia  fianarana teny amin’iny toerana nonenany teny. Niomana haka ny fisotroan-dronony izy dia izao niharan’ny hetraketraka izao. Manana ireo manampahaizana natokana hanao ny fanadihadiana ny zava-mitranga toy izao ny eo anivoan’ny zandarmaria  izay  tonga avy hatrany raha vao nahazo antso. Manameloka izao hetraketraka atao amin’ny zokiolona izao ny mpitondra rehetra ao anatin’ny distrikan’i Moramanga.

CATHY

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser