- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversAmbohidrapeto : Tsy ampy taona ireo rain-dahiny amin’ny famakiana trano

Ambohidrapeto : Tsy ampy taona ireo rain-dahiny amin’ny famakiana trano

Jiolahy efatra ; izay isan’ny nampikaikaika ny mponina teny amin’iny faritra Ambohidrapeto, Antsahamasina, ary Antanetibe iny no saron’ny zandary avy etsy amin’ny borigady Itaosy teo am-panaovana ny asa ratsiny. Ny iray tamin’izy ireto ihany, izay azo sokajiana ho lehiben’izy ihany no feno taona, fa ny sisan’izay dia mbola zaza tsy ampy taona avokoa.

Ny herinandro teo no tra-tehaky ny zandary, teo am-pamakiana tranon’olona izy ireo, raha ny fampitam-baovao azo. Tokony ho tamin’ny 12 ora alina tany ho any, ary ireo zandary nanao fisafoana teny amin’iny faritra iny no nahatsikaritra azy ireto. Nitsoaka avy hatrany moa ireto tontakely ireto, raha vao nahatazana ireo mpitandro filaminana. Raikitra teo ny fanenjehana ka ny roa tamin’izy ireo ihany no voasambotra, raha tafaporitsaka ny sasany. Nentina nohadihadiana avy hatrany ireto farany ka tsy ela akory dia « nibaradaka » nanoro ireo namany. Ny ampitson’ny nahasamborana ireto roalahy ireto, dia azo ihany koa ireo namany. Marihana, fa 13 taona no zandriny indrindra amin’ireo rain-dahiny amin’ny famakiana trano ireto, izay mbola azo lazaina fa zaza tokoa. Niaiky ihany koa mantsy izy ireo, fa efa marobe ireo trano  nataon’izy ireo lasibatra. Tany amin’izy ireo rahateo dia mbola nahitana fanalahidy hosoka 49 teo ho eo. Raha ireo entana halatra azon’izy ireo indray kosa dia eny amin’iny faritra Anosibe na Isotry iny no fivarotan’izy ireo an’izany, raha ny fampitam-baovao azo hatrany.  Efa  niakatra fitsarana ny raharaha, raha ny fanazavana azo ka nalefa eny Antanimora ilay efa ampy taona, raha ny nalefa eny amin’ny toby fitaizana zaza maditra eny Anjanamasina kosa ireo tsy ampy taona.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici