- Publicité -
jeudi, juillet 3, 2025
AccueilFaits-DiversAndoharanofotsy : Zaza telo volana, nisy nametraka teo am-bavahadin-dry masera

Andoharanofotsy : Zaza telo volana, nisy nametraka teo am-bavahadin-dry masera

Tsy horonantsary akory ! Renim-pianakaviana iray, izay karohina fatratra amin’izao no nahavita namela sy nanary ny zanany vao telo volana monja teny Andoharanofotsy, tao amin’ny fokontany Malaza, ny alakamisy hariva teo. Toy ireny fahita amin’ny horonantsary na sarimiaina ireny dia napetrak’ity renim-pianakaviana ity teo am-bavahadin-dry masera teny an-toerana ity zazalahikely menavava tsy manan-tsiny ity. Raha vao nahita ity tranga tsy dia mpiseho firy ity ireo relijiozy dia nandeha nampandre haingana ireo zandary misahana iny faritra iny. Ny olona rahateo ihany koa raha vao nahare ny vaovao dia tonga nijery sy nitangorona. Tonga avy hatrany teny an-toerana moa ireto mpitandro filaminana, ary niezaka nikaroka ity renim-pianakaviana nahavita nanary ny zanany ity. Ireo mponina teny amin’iny faritra iny kosa dia samy tsy nisy nahalala na nahita ny nametrahan’ilay renim-pianakaviana ny zanany teo amin’io toerana io. Nosokafana avy hatrany moa teo ny fanadihadiana hikarohana ilay ramatoa. Ilay zaza kosa raha ny fampitam-baovao azo dia noraisin’ireo tompon’andraikitra tao amin’ny « Maison de charité » tetsy Tongarivo Tanjombato aloha, mandrapa-piandry ny fanapahan-kevitry ny fitsaràna mahakasika ity raharaha ity.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici