Toeram-pivarotana fahana sy fanakalozam-bola avy amin’ny finday (mobilebanking) iray no nisy nanafika tetsy Itaosy. Amin’ny andro antoandro, manodidina ny amin’ny 11ora, no tonga ny jiolahy izay tsy voafaritra isa niaraka tamin’ny basy sy sabatra. Norahonana ny olona rehetra izay tao anatin’ilay toerana, indrindra fa ny mpitantana izany. Tsy nisy najanon’ireo jiolahy fa noraofiny avokoa ny vola izay tao anatin’ny fitoerany, ny finday izay namidy ary hatramin’ny fahana aza. Feno olona mivezivezy teo ivelany tamin’io fotoana io ary nahita ny nivoahan’ireo olon-dratsy saingy tsy nisy sahy niditra an-tsehatra raha nahita ny fitaovam-piadiana teny an-tanan’ireo. Tsy vitan’izany aza fa mbola nahita koa ireo olona tao anaty fiara izay tratran’ny fitohanana. Tonga ny mpitandro ny filaminana fa saingy efa tsy hita intsony izay nanjavonan’ireo olon-dratsy. Tsy misy azo hanaovana ny jiolahy izany raha vao misy basy eny an-tanany. Miala fotsiny ny olona ary tsy hifanomezan-tsiny izany satria lahy tokana ny aina. Hatreto dia mbola tsy hita mivaingana ny hoe mpitandro ny filaminana manakaiky ny vahoaka, arak’izay efa nampanantenain’ny tompon’andraikitra. Raha izany mantsy no mivaingana, tokony misy an’ireo mipetrapetraka eraky ny faritra be olona sy faritra mena. Ny fandrindràna avy amin’ny foibe sisa no hatao matotra tsara dia tsy ho afa-bela mihitsy ny jiolahy ary tsy afaka ny handihizany intsony ny tanàna. Tokony mahamenatra sy mahatonga saina izany hoe tsy mitsoaka akory izy ireo rehefa avy manafika fa mandeha an-tongotra moramora ary tsy manahy na inona no inona, indrindra koa hitan’ny besinimaro izany fihetsika izany.
D.R