- Publicité -
mardi, juillet 8, 2025
AccueilFaits-DiversVavatenina : Telo maty voatifitra, 12 voasambotra

Vavatenina : Telo maty voatifitra, 12 voasambotra

Tena tsy milamina ny  fandriampahalemena  ao Vavatenina, tato ho ato izay. Saika itrangam-panafihana mitam-piadiana sy asan-jiolahy mitondra zava-maranitra hatrany any an-toerana. Isan-kerinandro dia misy hatrany ny vaovao azo momba ity asan-jiolahy ity avy any an-toerana. Vokatr’ izay filaminam-bahoaka marisarisa ao Vavatenina izao, dia nandray fanapahan-kevitra ny OMC any an-toerana tarihan’ny lehiben’ny distrika, fa voarara ny mivezivezy amin’ny alina any an-toerana nanomboka ny zoma teo, Nisy noho izany ny hetsika niarahan’ireo mpitandro ny filaminana tany an-toerana nametraka filaminam-bahoaka, tao anatin’ny distrika. Tsy niraharaha izao fepetra noraisin’ny OMC tao Vavatenina izao anefa ireo fikambanan-jiolahy, fa mbola nanao ny asa ratsiny hatrany tao amin’ny fokontany Ambatobe kaominina Vavatenina, ny zoma nifoha ny sabotsy teo, dia tokantrano iray no notafihan’ny jiolahy am-polony teo. Famaky, antsy, sabatra, zava-maranitra samihafa no nentin’izy ireo nanao ny fanafihana ka lasan’izy ireo tamin’izany ny vola 10 tapitrisa ariary, Ireo mpivady voatafika kosa mbola manaraka fitsaboana eo anivon’ny hopitaly Vavatenina noho ny ratra mafy nahazo azy ireto, nandritra ny fanafihana nahazo azy ireo tao an-tranony. Efa tsy atahorana koa ny fahasalaman’izy mivady hoy ny mpitsabo. Vao nahazo antso momba ity fanafihana ity ny mpitandro ny filaminana mitambatra niarahan’ny polisy sy ny zandary ary ny miaramila, dia tonga tao Ambatobe vao mangiran-dratsy; tsy mbola lasa lavitra rahateo ireto andian-jiolahy araka ny vaovao azon’izy ireo, ka raikitra avy hatrany ny fanarahan-dia natao. Nandritra izany dia voasambotra ny iray tamin’ireto jiolahy, afa-nandositra tany anaty ala kosa ireo ambiny izay nahatonga ny mpitandro ny filaminana nampiasa ny fitaovana teny aminy. Nandritra izany no nahalavo ny telo tamin’ireto jiolahy sy nahasamborana ny 11 izay nampiakatra ho 12 ireo jiolahy azo sambo-belona. Efa saika raikitra indray ny sakoroka mitaky fitsaram-bahoaka, ka nahatonga ny mpitandro ny filaminana namindra haingana azy ireo tao Fenerivo Atsinanana. Ny angom-baovao avy any Vavatenina milaza, fa mponina ao Tanambao Varrerie Toamasina I ny iray tamin’ireo maty voatifitra.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici