- Publicité -
mardi, juillet 8, 2025
AccueilFaits-DiversLozam-pifamoivoizana - Mananara avaratra : Maty ny mpamily, olona roa naratra mafy

Lozam-pifamoivoizana – Mananara avaratra : Maty ny mpamily, olona roa naratra mafy

Isan’ny mitera-doza miteraka famoizan’aina hatrany ny fampiasan’ny mpamily ao Mananara avaratra ny làlana fiantsonan’ny fiaramanidina any an-toerana ao Analampenja, noho ny fialan’ireo mpamily ny làlan-dratsy mifanila mihazo ireo tanàna mifanila amin’ity seranam-piaramanidina ity. Efa saika manao filazana amin’ireo onjam-peo sy filazana peta-drindrina ny loza hateraka ny fampiasana ity làlan’ny fiaramanidina ity izay tsy misy mandeha mora ireo mpamily mandalo eo amboniny, no mety mbola hitera-dazo ihany koa amin’ny fotoana hisian’ny fiantsonan’ny fiaramanidina. Ny zoma teo tokony tamin’ny 4ora tolakandro dia fiara tsy mataho-dalana iray nitatitra fasika no nivadika ambony ambany noho ny fandehanana mafy teo ambonin’ity làlan’ny fiaramanidina ao Mananara avaratra ity. Maty avy hatrany ny mpamily voatototry ny fasika nentiny, naratra mafy kosa raha nipitika ireo olona roa niaraka taminy. Taorian’izao lozam-pifamoivoizana izao dia nivoaka ny resaka eran’ny tanana fa làlana misy “lolo” mahery io fiantsonan’ny fiaramanidina ao Mananara avaratra io, ka tsy tokony ampiasan’ny fiara sy ny môtô. Ireo olobe any an-toerana ihany koa nanamafy izany fa izay loza nitranga teo miteraka faty olona hatrany.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici