Ny faran’ny herinandro teo no voasambotra ireo niray tsikombakomba tamin’ny fanafihana ka nahafaty ilay mpianatry ny oniverste teto Mahajanga. Ny alin’ny alahady 21 oktobra lasa teo no niseho ny tranga teny akain’ny birao ny Dren bloc administratif Ampisikina.
Andian-jatovo maro izy ireo no nanao ny fanendahana an’i Jimmy tamin’io fotoana io. Raha ity farany avy nanao « connexion wifi » teny amin’ny manodidina teny. Halatra finday no teti-dratsin’ireto jiolahy nefa nitohy tamin’ny tsatoka atsy inefatra tamin’ny vatany ka nahafaty azy ora vitsy taorian’izay raha vao tonga teny amin’ny hopitaly. Fokontany maro teto Mahajanga no nisamborana azy efa-dahy ireo, nisy tany Ambalanomby sy Antsahavaky, nisy teny la corniche ary ny iray teny Tsararano. Roa tamin’izy ireo zaza tsy ampy taona ary misy ihany koa aza no mbola karohina satria fantatra fa nampandosirin’ny fianakaviny. Nosamborina niaraka tamin’ireto jiolahy nahafaty olona ireto koa ny renim-pianakaviana roa izay voalaza fa nahafantatra tsara ity raharaha ity saingy ninia tsy namoaka izany raha tsy izao fanadihadiana sy fikarohana nataon’ny avy ao amin’ny polosim-pirenena izao. Nambara fa ny iray amin’izy ireo no renin’ilay isan’ireo tompon’antoka tamin’ny famonoana izay efa nalefa nandositra niala ny tanàn’i Mahajanga. Taorin’ny famotorana rehetra, natolotra ny fitsarana ny alatsinainy maraina teo ny raharaha.
Tantely Vandriam
Mahajanga : Mpianatra voatsatoka antsy, tsy ampy taona ny iray tamin’ireo mpamono
Articles qui pourraient vous intéresser