Tonga nitsidika ara-pomba fanajana ny faritra indray ireo delegasiona avy ao amin’ny JICA, fiara miasa amin’ny firenena Japoney. Nitarika ireto vahiny ireto ny mpandridra ny fandaharana JOCV Rtoa Suzuki Aya. Ny faran’ny volana Oktobra lasa teo no nanatanterahana izany. Nampahafantarina ny faritra tamin’io fotoana io ny fahatongavan’izy 4 mianadahy hanampy ireo efa miasa eto amin’ny faritra Vakinankaratra. Fantatra fa telo amin’izy ireo dia manana traikefa manokana eo amin’ny resaka fahasalamana ka any amin’ny CSB II no hiasa, hisitraka izany ny CSB II Ambalavato Antsirabe, ny CSBII Andranomanelatra Antsirabe II, ary ny CSB Ambatolampy. Ny iray kosa dia eo amin’ny sehatry ny fanamboarana fitaovana hoentina mamboly « machinisme agricole » ao amin’ny CFAMA noho izany no hizarany ny traikefany. Tombony lehibe ho an’ny faritra mazàna ny fiaraha miasa amin’ny firenena vahiny toy izao satria ankaotra ny fifampizarana traikefa sy fomba fanao dia mitondra tantsoroka hivoaran’ny tsirairay ka miteraka fampandrosoana ny fahatongavan’ny vahiny mizara ny fahaizana eto amin’ny faritra. Nambaran’ireo tale isan-tsokajiny izany nandritra ny fandraisana ireto vahiny ireo.
Andry N.