Nitrangana javatra mampalahelo tao Andranovorivato, distrikan’i Vohibato, faritra Matsiatra Ambony, ny alahady maraina teo. Lehilahy sahabo ho efapolo taona eo ho eo no hita faty tao anatin’ny kirihitra. Lanin’ny biby ny nofon-dranjony iray manontolo teo amin’ny tongony roa. Torak’izany koa, ny ilan’ny tanana havanana ary miendaka ny hodi-dohany, tsy misy volo intsony. Tonga nijery sy nanadihady ny zava-nisy teny an-toerana ireo manampahefana.
Anastase