Nisavorovo indray teny amin’iny faritra Analamahitsy iny omaly hariva, tokony ho tamin’ny dimy ora tany ho any. Lehilahy iray, manao fanamiana mpitandro filaminana sy nitondra fitavaom-piadiana no voasambotry ny fokonolona teny an-toerana.
Telolahy izy ireo, raha ny fitantaran’ireo mponina teny an-toerana, manao irony pataloana mpitandro filaminana irony. Tamin’io fotoana io, raha ny filazan’ireo mponina hatrany dia voalaza fa saika hanafika tranon’olona iray teny amin’iny faritra Analamahitsy ambany iny izy ireo. Ny tsy fantatra hatreto dia hoe efa nahatafika an’ity tananan’olona ity ve sa mbola teo am-piomanana ? Raha ny angom-baovao hatrany dia niantso vonjy ny tompon-tanana ka namaly ny antso avy hatrany ireo mponina, niaraka tamin’ny andrimasom-pokonolona. Raikitra teo ny fifanenjehana. Ireo namany roalahy dia tafaporitsaka. Ity iray voasambotra ity kosa, dia niezaka nihazo ny arabe tamin’ny alalan’ireo elakelan-trano teny an-toerana saingy nidona tamin’ny rindrina. « Lalan-kely tsy mivoaka n’aiza n’aiza no nalehany ka dia izao tratra izao » hoy ny sasany tamin’ireo mponina. Rehefa nosavaina ny sakaosy nentin’ity lehilahy ity dia nahitàna sabatra lavalela iray, niaraka tamin’ny basy « kalach bory vody », araka ny fitantarana hatrany. Mazava ho azy, mandra-pahatongan’ireo mpitandro filaminana nitondra ity olona voalaza ho olon-dratsy voasambotra ity dia efa niharan’ny hatezeran’ny fokonolona ity olon-dratsy ity. Fotoana vitsy taorian’ny nahasamborana azy moa no tonga ireo mpitandro filaminana misahana iny faritra iny, ary nitondra azy natao fanadihadiana tany amin’ny biraon’izy ireo tetsy Analamahitsy.
m.L