Taxi-brousse ny iray, tetsy Ankazobe, ary fiara kely kosa ny iray tetsy Analavory. Aina efatra be izao indray no nafoy omaly sy afak’omaly noho ny resaka lozam-pifamoivoizana tamin’ireo lalam-pirenena roa lehibe teto amintsika.
Ny voalohany, nitranga ny talata antoandro teo amin’ny tanana antsoina hoe Ambohitrafovoany, ao amin’ny distrikan’Ankazobe, teo amin’ny PK103+50. Taxi-brousse avy any Avaratra hitodi-doha aty an-drenivohitra ity tra-doza ity. Araka ny angom-baovao azo dia vokatry ny olana ara-teknina nahazo ny fiara no nahatonga ny loza. Tapaka hisatra teo am-pidinana izy io. Nivoaka ny lalana ary nivadika nony avy eo. Olona roa no namoy ny ainy teo no ho eo. Nahatratra am-polony maro kosa ireo naratra. Raha ny fantatra dia nisy ankizy roa isan’ireo voa mafy tao anatin’izany. Nentina novonjena haingana tany amin’ny toeram-pitsaboana moa ireto olona tra-doza ireto.
Ny loza faharoa kosa dia nitranga omaly, tetsy Ampasamanatongotra, Analavory. Fiara kely iray marika « Volkswagen » no nivadika, teo amin’ny kilometatra vitsy monja tsy hiditra an’Analavory. Fandehanana mafy indray no nahatonga ny loza, raha ny fampitam-baovao azo. Tsy tafiditra teo amina fiolahana kely hiditra amina tetezana mantsy ity fiara ity ary namantana avy hatrany tany ambany. Potika tanteraka ilay fiara kely. Olona roa no namoy ny ainy, ary iray naratra mafy. Ity farany moa izay nentina namonjy toeram-pitsaboana haingana. Efa tonga teny an-toerana moa reo mpitandro filaminana nijery ifotony ny zava-nisy ary nanokatra ny fanadihadiana avy hatrany.
m.L