- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025
AccueilFaits-DiversFifidianana tao Toliara : Niparitaka ny vola sandoka roa alina ariary

Fifidianana tao Toliara : Niparitaka ny vola sandoka roa alina ariary

Fotoana iray lehibe eo amin’ny fiainam-pirenena ny fifidianana izay ho Filoham-pirenena, kanefa tsy kely lalana ny ratsy ankehitriny. Omaly, nandritra ny androm-pifidianana dia niparitaka ny vola sandoka roa alina ariary izay nentina nanambazana an’ ireo mpifidy mba hifidy kandidà iray, ka toerana maromaro tao Toliara tampon-tanàna sy ny manodidina no nahitana izany, raha ny tatitra voaray. Araka ny fanazavana azo hatrany, dia nanomboka tamin’ny fotoan’ny fampielezan-kevitra no efa niparitaka ny vola sandoka, ka ny andron’ny omaly io vao sahy namaky bantsilana ny zava-doza ireo lasibatra, ary nitoroka izany tany amin’ny tompon’andraikitra. Na dia teo aza io tranga io, dia nizotra am-pilaminana tamin’ny ankapobeny ny fifidianana tany amin’ny distrikan’i Toliara I, na dia maro aza ireo tsy nanana kara-pifidianana. Ary nanodidina ny 68% teo ny taham-pahavitrihan’ny mpifidy tonga nandatsa-bato.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici