Any amin’ny toe-draharaham-pirenena avokoa amin’izao ny mason’ny rehetra. Any anaty fiaran’olona kosa ny mason’ireo mpanao ratsy eny Ambodivona, làlana mizotra mankany Ankorondrano iny.
Efa malaza ratsy amin’ny fanendahana iny faritra iny ary efa manao izay azony atao ireo mpitandro filaminana misambotra ireo mpanao ratsy. Amin’izao dia miova fitàna indray izy ireo ka tsy ireo mpandeha tongotra intsony indray no ataon’izy ireo lasibatra, fa ireo mpandeha fiara. Indrindra moa fa raha tazan’izy ireo fa misy kitapo na zavatra sarobidy ao anatin’izany fiara izany. Tsy tahotra tsy henatra intsony izy ireo, manao amboletra miezaka manokatra ny varavaran’ireo fiara sendra mijanona eny an-toerana na taraiky anaty fitohanana. Araka ny angom-baovao azo, dia misy andiany eo amin’ny efa-dahy na dimy izy ireo, izay inoana marimarina, hoy ireo efa sendra tratra fa misy zava-maranitra any aminy. Ka na mahavoa na tsy mahavoa dia mandeha miadana tsy taitra akory toy ireny olon-tsotra ireny. Mazàna tokoa, dia saika teny amin’iny faritra Andohatapenaka sy ny manodidina iny no tena malaza ratsy amin’ity fanendahana anaty fiara ity, ary efa tsy vitsy ireo lasibatr’izy ireo tamin’izany. Taorian’ny fitarainana maro ataon’ireo mponina sy mpindrana iny lalana iny, dia nametraka paik’ady matotra ny teo anivon’ireo mpitandro filaminana misahana izany faritra izany ary azo lazaina amin’izao, fa efa mihena izany asa ratsy izany amin’izao. Saingy ity toa lasa eny Ambodivona ity indray.
m.L