Ny 5 novambra teo, mpivady hody antoandro tokony ho tamin’ny 11ora sy sasany teo avy nivarotra ka nitondra ny vola maty ny maraina mitentina 6 tapitrisa ariary, no notafihan’ny jiolahy efatra nanao taingin-droa tamina moto roa samy hafa. Ny iray raha vao nahatazana azy mivady dia nitarika teo aloha toy ireny mpandeha rehetra ireny, ny ekipa faharoa kosa nanaraka avy tao aoriana. Vao tonga teo amin’ilay lalana antsoina hoe “be menaka” amin’ilay lalam-baovao ao Andranomadio anefa, dia nosakanan’ilay teo aloha izy mivady ary nambanany basy avy hatrany hamoaka ny vola, ireo ekipa roa tao aoriana kosa miambina ireo izay mety halaim-panahy hanampy ireto mivady ireto. Lasan’ireto jiolahy ny vola 6 tapitrisa ariary sy ny moto nentin’izy mivady nandritra izany. Hita tao Mangarano II ny iray tamin’ireo jiolahy rehefa nandeha ny fanaraha-maso. Tratra tao ny basy PA iray. Ny alin’ny 6 novambra no raikitra ny fifanjevoana teo amin’ny mpitandro ny filaminana sy ireto andian-jiolahy ireto ka nahafaty ny roa. Tratra ny PA faharoa sy bala telo 7,65mm tao anatiny. Raha nosavaina ny tranon’izy ireo tao Tanambao Verrerie dia nahitana fanamiana miaramila tena izy sy bala hafa. Omaly no niakatra fitsarana ireto olona voasambotra telo sisa velona ary nidoboka am-ponja.
Malala Didier