Raha tsy mampilaza fa tonga tampoka ny any amin’ireo faritra hafa, eto an-drenivohitra, paik’ady hafa indray no entin’ireo olon-dratsy mandrahona sy mampihorohoro eny amin’ireo toerana sasantsany eny amin’iny faritra Ambohimangakely, tonga hatrany Ambohimalaza iny. Niparitaka teny an-toerana mantsy ny trakta izay milaza fa ho avy ireo jiolahy hanafika ny tananan’izy ireo. Miaina anaty tebiteby tanteraka ny mponina. Amin’izao fotoan-dehibe andalovan’ny firenena izao dia tsy nohamaivan’ireo mpitandro filaminana tokoa ny toe-javatra toy izao. Fantatra mantsy fa nidina teny an-toerana izy ireo, niezaka nandamina ny sain’ireo mponina. Tsy vitan’izay anefa fa nisy avy hatrany ny fepetra noraisina, ary anisan’izany ny fanamafisana andro aman’alina ny fiambenana sy ny fisafoana teny amin’ireo toerana sasany nisian’izany trakta izany. Hatreto aloha, raha ny angom-baovao azo dia tsy mbola nitranga izay fanafihana voalaza tao anaty trakta izay. Tsaho ary ve sa tena fampihorohorona tsotra izao, entina hanakorontana saim-bahoaka ? Ary fifanandrifin-javatra ve ny nisian’izany amin’izao fiandrasana valim-pifidianana izao ? Mijanona ho eritreritra sendra mandalo fotsiny ao anatin’ny sain’ny besinimaro anefa izany aloha hatreto. Anjaran’ireo mpitandro filaminana no manao ny fanadihadiana.
Nangonin’i m.L