Mazàna dia any amin’ny roapolo lahy any ireo olon-dratsy, rehefa manafika sy makà an-keriny. Mirongo basy mahery vaika izy ireo amin’izany ary tsy manaiky raha vita ny asa ratsiny. Nisy ampahany tamin’izy ireo no voasambotra ary inoana fa hanaraka ho azy eo ny ambiny.
Saika ho isan’andro tokoa teo aloha teo dia nandrenesena trangana asan-dahalo sy fakàna an-keriny tany amin’iny distrika Maevatanana iny. Saika mitovitovy avokoa ny fomba fiadin’ireo olon-dratsy amin’izany, eny fa na hatramin’ny isan’izy ireo mandeha manafika aza. Teo anatrehan’izany dia tsy nipetra-potsiny ireo mpitandro filaminana tany amin’iny faritra iny fa nanao izay azon’izy ireo natao nentina nikarohana ireto olon-dratsy ireto. Vokany, nisy olon-dratsy dimy tra-tehaky ny pôlisy tany an-toerana ny alakamisy lasa teo. Sarona teny amin’ireo jiolahy ireto ny basy fentin’izy ireo manafika sy antsy lava ary fanafody gasy maromaro.
Araka ny fampitam-baovao azo dia tambajotra isan’ny mampihorohoro an’i Maevatanana no misy an’ireto voasambotra ireto. Tambajotra, izay tsy mianona fotsiny amin’ny fanafihana tanana fa miampy « kidnapping » ihany koa, hoy ny fanazavàna nomen’ireo pôlisy. Tsiahivina fa ny fanafihana nitranga tao Ambohimadio, izay nahaverezana vola an-tapitrisany maro, efa ho iray volana talohan’izao no niandohan’ny fanadihadiana. Tsy navelan’ireo pôlisy anefa izany raha tsy niafara tamin’ny fahatratrarana ny sasany tamin’ireo olon-dratsy. Raha ny fanazavàna azo, tamin’ny famotorana azy ireo, dia mahatratra 29 lahy izy ireo no indray manafika, ary manao fanamiana mpitandro filaminana. Tsy ireo rehetra ireo anefa no miaraka manao izany fa mizara ary efa samy manana ny anjara asany avokoa. Ao ireo mitily fotsiny ary ireo izay tena manafika, ny mpitondra ireo olona nalaina an-keriny, ny mpiandry sy mpanome sakafo izany, ny mpaka vola, sy maro hafa. Efa tambajotra lehibe mihitsy izy io, hoy hatrany ny vaovao. Mbola eo am-pikarohana ireo namany hafa moa ireto mpanao fanadihadiana amin’izao. Ireo voasambotra kosa dia efa natolotra teny anivon’ny Fampanoavana ary nampidirina am-ponja vonjimaika.
m.L