- Publicité -
mardi, mai 13, 2025

Tapatapany

# Toliara. Ankizivavy 4 taona nitsahin’ny fiara, niparitaka ny atidohany : Nitrangana lozam-pifamoivoizana nahafatesana olona indray tany Toliara, afakomaly tamin’ny efatra ora tolakandro, amin’ny lalana manoloana ny biraon’ny zandary Mahavatse. Ankizivavy kely 4 taona niampita arabe tampoka no nitsahin’ny fiara Mazda miloko mena ka maty tsy tra-drano, ary niparitaka hatramin’ny atidohany. Tamin’ny fotoana nandalovanay teo amin’ny toerana nitrangan’ny loza dia mbola hita tavela teo ny volon’ilay zaza maty voahitsaka. Raha ny fanazavan’ny nanatri-maso ity lozam-pifamoivoizana ity dia nobatain’ilay mpamily tao anaty fiarany ilay zaza efa tsy nisy aina intsony nentiny tany amin’ny hopitaly. Asa, noho ny tahotra ny fitsaram-bahoaka angamba na nanantena ilay mpamily fa mety mbola ho avotra ilay zaza voadona.

Manitrisa

# Toliara. Niady izy mivady, nodarohan-drangahy zanany lahy kely :  Trangam-piaraha-monina hafa kely ity. Izy mivady no niady ka ny zaza tsy manan-tsiny no naratra tsy fidiny voadaroka. Io no nitranga tamina tokantrano iray tao Tsimenatse Toliara, ny alatsinainy 19 mey teo. Matetika miady ireto mpivady ireto, satria tsy zakan’ity renim-pianakaviana ity intsony ny toetran-drangahy mamolava tsy mampidi-bola, ka nangoron’entana hisintaka ramatoa. Tezitra rangahy ka ny zanany lahy kely 7 taona no nanamparany ny hatezerany. Vokatry ny daka sy vono, naratra ilaikely. Raha tsy noraran-dramatoa vadiny nifona fa tsy handeha hisintaka dia saika loza no nitranga, hoy ny fanazavana azo nandritra ny angom-baovao. Vokatry ny krizim-piainana misy amin’izao, maro ny olona no manaotao fahatany, izay tsy misaina akory ny ho mety ho vokatry ny hadalany na ny tsy fitandremany.

Manitrisa

# Toliara. Ankizilahy tratra nangalatra, torana voavely tako-bilany :  Zazalahy kely vao 9 taona monja tratra nangalatra hena hatao laoka hariva tao am-bilany no safotra tsy nahatsiaro tena nodarohan-drainy sy novelesiny tamin’ny tako-bilany, afakomaly tany amin’ny fokontany Ankiembe Toliara. Voalaza fa tsy vao izao ity boaikely ity no fainga tanana. Tsy mijanona ao an-trano ihany ny asa ratsiny fa mitohy any ivelany. Miteny sy nananatra azy foana ny renikeliny fa tsy nasiany sira, satria maro amin’ireo efa lasibatr’ity boaikely ity no nitory azy. Tofoka tamin’ny toetrany ny rainy ka nentim-po raha nananatra azy, nefa saika zava-doza no niseho. Ny toetran’ankizy tsy voafehy toy izao dia anisan’ny antony iray mampitombo isa ny faharavana tokantrano ao Toliara ao.

Manitrisa

# Ambatomanoina. Fatin-dehilahy efa lanin’ny alika ny tongony : Ny 17 may teo no nisy nahita ny fatin’ny tovolahy vao 23 taona monja, izay manam-bady niteraka iray. Efa folo andro no tsy nahitana ity lehilahy ity raha avy nijery fampisehoana tany an-toerana. Nidina teny an-toerana ny dokotera sy ny zandary ka efa simba be tokoa ny razana, ary tsy mbola fantatra marina ny mety ho nahatonga izany, fa ny tongony no efa lanin’ny alika.

# Anjozorobe. Andiam-balala mirefy 1 km ny halavany : Ny alarobia antoandro teo no nandrakotra ny lanitra tany Anjozorobe ny andiam-balala. Natevina tokoa ity andiany ity satria dia nahatratra efa ho 1 km ny halavany. Nanohy ny diany nianavaratra ny diany avy eo. Ny vaovoa vaoray hatrany no nahafantarana fa efa tafafindra any amin’ny faritry Moramanga ity andiam-balala ity. Efa avy namakivaky an’Ambohidratrimo, Avaradrano sy Manjakandriana. Ny voly an-tenety no tena samba tamin’ny fandalovan’ieo valala.

Nangonin’i Alem

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser