Vao herinandro monja nivoahana ny fonja ireto roa lahy, noho ny resaka asan-jiolahy dia efa niverina sahady tamin’ny asa ratsy fanaony. Tsy niandry ela anefa dia voasambotra indray, teny amin’iny faritra Ambohimangakely iny.
Ny zoma hariva teo, raha teo am-panaovana fisafoana iny indrindra ireo zandary teny amin’iny faritra iny, no nifanehitra tamina efa-dahy mampiahiahy. Raha iny nanatona hisava azy ireo iny ireo zandary niaraka tamin’ny andrimasom-pokonolona no nandositra izy ireo, ary nifanenjehana. Ny roa lahy no voasambotra, fa ny roa kosa tafatsoaka. Raha ny fantatra, dia vao avy nanafika tokantrano teny an-toerana izy ireo, ary mbola tratra tany amin’ireto farany aza ny entana nangalarin’izy ireo. Nentina no fotorana avy hatrany moa ireto farany ary tamin’izany ihany koa no nanondroan’izy ireo ny namany. Voasambotra ny iray tamin’ireo tafatsoaka, saingy mbola karohina fatratra ny naman’izy ireo fahefatra. « Nandritra ny famotorana ihany no nahalalana, fa efa maro ny toerana nanaovan’izy ireo ny asa ratsiny, toy ny teny: Ambohipeno, Ambohimanambola, Avaratrankarongana, Fieferana ary ny faritra Ambohimangakely. Sarona ihany koa ny karazana fanalahidy marobe fanaovan izy ireo ny asa ratsiny », hoy ny vaovao. Ny sabotsy teo moa izy ireo no natolotra teny anivon’ny Fampanoavana ary nadoboka am-ponja avy hatrany miandry ny fotoam-pitsarana.
m.L