- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversManerinerina : Zazavavy kely nalaina an-keriny, 1 miliara no takian’ireo olon-dratsy

Manerinerina : Zazavavy kely nalaina an-keriny, 1 miliara no takian’ireo olon-dratsy

  1. Tsy nipetra-potsiny ireo zandary tany an-toerana, fa nanao izay azony natao nikarohana ireo mpaka an-keriny. Votsotra tamin’ny fotoana farany ilay ankizy. Tsy nisy fandoavam-bola.

    Ny voalohandohan’ny herinandro teo no niseho ity fakàna an-keriny ity, tao amin’ny tanànan’i Manerinerina, 24 km avaratr’Ambondromamy, manaraka an’iny lalam-pirenena fahenina iny. Araka ny fampitam-baovao azo, dia efa-dahy teo ireo olon-dratsy no tonga nanafika ny tokantrano nisy azy. Rehefa avy nibata izay zakany tao amin’ilay trano voatafika ireto olon-dratsy dia nitondra an-keriny ilay ankizivavy kely. Ny ampitson’io fanafihana io no nifandray an-telefaonina tamin’ireo fianakaviana ireo mpaka an-keriny ary voalaza teo fa vola mitentina eo amin’ny 200 tapitrisa ariary teo ho eo no takian’izy ireo ho takalon’ny famotsorana ilay zaza. Raha ny fampitam-baovao hatrany, dia tsy nisy ny fampandrenesena ireo zandary tany an-toerana, ny mahakasika io raharaha io. Siosion-dresaka sy loharanom-baovao no nahafantaran’ireto mpitandro filaminana ireto izany. Tsy nionona fotsiny tamin’izay anefa ireto zandary avy ao amin’ny Kaompania Ambatoboeny, fa nandray an-tànana ny raharaha ka avy hatrany dia niroso tamin’ny fikaroham-baovao sy ny fikarohana ireo olon-dratsy. Ny zoma lasa teo no fantatra fa nisy olon-dratsy niery ao amina toerana iray. Nametraka ny paik’ady rehetra ireo mpitandro filaminana ary niroso tamin’ny fisavana ilay toerana. Tetsy andanin’izay kosa raha nahita ny fiavian’ireo zandary ireo olon-dratsy tamin’ilay toerana, dia samy niparitaka nitsoaka avokoa. Nisy ankizivavy iray navelan’izy ireo teo amin’ilay toerana, tsy zakan’izy ireo intsony tamin’ilay fitsoahana. Tamin’io fotoana io no fantatra fa ilay zaza nalaina an-keriny izy io, izay salama tsara. Nentina nody avy hatrany moa ity farany ary tafaverina soa aman-tsara teo anivon’ny fianakaviany, tsy nisy fandoavam-bola. Mbola mitohy mikaroka ireo mpanao ratsy kosa, raha ny fanazavana azo ny zandary hatramin’izao.

    m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici