Ny zoma 9 novambra lasa teo, tokony ho tamin’ny 9 ora alina, raha iny tsy nisy nanampo na inona na inona iny, ny mponina ao Ambohinjanakantitra, fokontany Analamanantena-Amboborina, dia nitrangana fanafihan-jiolahy mitam-piadiana mahery vaika. Lasibatra tamin’izany ny mpivarotra, voadaroka ny loham-pianakaviana. Lasan’ireo jiolahy ny vola an-tapitrisany. Noho ny tampoka tsy maha lehilahy sy ny hery tsy mitovy, dia nanararaotra ireo mpanao ratsy, satria tsy afaka nanao na inona na inona ny fokonolona. Nentina notsaboina any an-drenivohitra ny raim-pianakaviana.
Anastase