- Publicité -
mardi, juillet 1, 2025
AccueilFaits-DiversMaevatanàna : Fiara 4x4 nifandona tamin’ny bajaj, naratra ny mpamily

Maevatanàna : Fiara 4×4 nifandona tamin’ny bajaj, naratra ny mpamily

Nisehoana lozam-pifamoivoizana taty amin’ny lalam-pirenena fahefatra, tao amin’ny fokontany Antanambao, kilaometatra tsy hidirana an-tampon-tanànan’i Maevatanàna, ny sabotsy  10 novambra lasa teo, tokony ho tamin’ny  04 ora hariva. Araka ny fampitam-baovao, dia nifandona tamina fiara tsy mataho-dalana iray avy eto an-toerana ihany ity bajaj iray ity tamin’io fotoana io. Nifanena tao anaty fiolanana ilay bajaj ka nangala-dalana, dia izay no nahatonga ny loza. Potika tanteraka ny lohan’ilay fiara kely teo anatrehan’ny dona nahazo azy, ilay fiara 4×4 kosa tsy naninona. Samy naratra avokoa ireo mpandeha rehetra tao anatin’ilay fiara, saingy raha ny fampitam-baovao dia ity mpamily bajaj ity no tena voa mafy. Efa nentina notsaboina any amin’ny hopitaly be Morafenokely avokoa moa ireo naratra vokatr’ity loza ity. Tonga teny an-toerana nanao ny fizahana ifotony ny zava-niseho ny mpitandro ny filaminana vantany vao nahafantatra ny loza.

Ratantely

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici