Gadra mpanao asa ivelan’ny fonja iray indray no voasambotry ny pôlisy tetsy Ambohidahy, ny faran’ny herinandro lasa teo, rehefa avy nangalatra môtô tetsy Ambohijatovo. Araka ny fampitam-baovao azo avy amin’ny pôlisy, dia ny voalohan’ny volana teo ity lehilahy ity no fantatra fa nanao ny asa ratsiny. « Marihana fa mbola manao ny « maind’œuvre pénale » moa ity lehilahy ity, dia izao tratra izao sahady indray » hoy ny vaovao. Nandray an-tànana ny raharaha avy hatrany ny pôlisy rehefa tonga nametraka fitairanana teny anivon’ny pôlisy ilay tompon’ny môtô very. Tsy niandry ela fa andro maromaro taty aoriana, dia izao tratra tetsy alohan’ny Fitsarana avo momban’ny lalam-panorenena tetsy Ambohidahy ity mpangalatra môtô. Natolotra teny anivon’ny fitsarana izy ny faran’ny herinandro lasa teo ary naverina nampidirina am-ponja vonjimaika niaraka tamin’ilay mpividy halatra. Fa ankoatr’io, dia lehilahy iray hafa ihany koa no voasambotry ny pôlisy hatrany noho ny resaka halatra môtô hatrany, teny amin’iny faritra Talatamaty iny. Noraisim-potsiny tao amin’ilay garazy nametrahana ilay môtô halatra tetsy 67Ha moa ity mpangalatra ity.
m.L