Afak’omaly no nalevina tao amin’ny fasan-drazany any amin’ny Kaominina ambanivohitr’i Benato Toby ny nofomangatsiakan’ Itompokolahy Jeannot, ilay zandary mahery fo lavo am-perinasa, voatifitry ny dahalo nandritra ny fanafihana, tao Emamba 7 km atsimon’Isoanala, distrikan’i Betroka, ny 10 novambra teo. Nialoha ny nanitrihana ny nofomangatsiakan’i GHC Jeannot, dia nisy ny fombafomba ara-miaramila ary nakarina teo amin’ny laharam-boninahitra ho GP2C Itompokolahy. Tonga tany an-toerana nisolotena ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimariam-pirenenana sy ny Kaomadin’ny Zandarimariam-pirenena, ny « Générale de Brigade » Rakotobe Christian. Ity farany izay nankahery ny fianakavian’ny maty sady nanentana ny rehetra, fa tsy mora, sarotra ary miankina aman’aina mihitsy ny asa sahanin’ny Zandary, ka mila tohana hatrany amin’ny fanomezam-baovao mikasika ireo olon-dratsy, mba hahamora kokoa ny fisamborana an’ireo fahalavom-bahoaka, hoy ity manam-boninahitra jeneraly ity.
Eric Manitrisa
Zan15mk …………………………… 4 modules