Efa tsy kely lalana tokoa ny ratsy izao, fa izay fomba ahazoam-bola ao anatin’ny asan-jiolahy dia ataon’ireo andian-jiolahy eto Toamasina avokoa ankehitriny. Raha resaka fanafihana mitam-piadiana ireo olona mpitondra vola sy ireo tranoeva mpivarotra fahana sy mpanao ireny “mobile-money” ireny no nalaza tao ho ao, ankehitriny indray dia misandoka ho mpiasan’ny jirama ireo andian-jiolahy miditra ny tokantranon’olona ka manao ny asa ratsiny. Ireo tokantrano heverin’izy ireo ho misy vola azo angalarina amin’ny fanangonam-baovao ataon’izy ireo mialoha no lasibatra amin’izany, manana “badge” sy taratasy tahaka ireny mpiasan’ny jirama manao iraka ireny ary manao fanamiana mpiasan’ny jirama ireto andian-jiolahy manao izany. Tranga iray no niseho tao amin’ny fokontany Beryl Rose Tanambao V ny alatsinainy teo; ramatoa iray no tao an-trano ary tonga toa ireny mpiasan’ny jirama ireny izy ireo nandritra izany. Vao tafiditra anefa dia avy hatrany dia nodarohan’izy ireo ilay ramatoa hamoaka ny vola tao an-trano, ka lasan’ireto andian-jiolahy nisandoka ho mpiasan’ny Jirama ireto ny vola 16 tapitrisa ariary tao amin’ity fianakaviana ity. Naratra mafy koa ilay ramatoa nandritra izany izay tonga nitaraina teo anivon’ny jirama Toamasina sy nametraka fitoriana teo anivon’ny mpitandro ny filaminana. Nandritra ny fisandohan’ireto andian-jiolahy ireto ny anaran’ny mpiasa tao amin’ny Jirama Toamasina, dia tsy nivoaka teo anivon’ny orinasa mihitsy ireto mpiasa ireto fa nisy asa hafa nataon’izy ireo tao amin’ny Jirama Toamasina. Ho fisorohana ny fisandohana ny mpiasan’ny Jirama tahaka izao dia handray fepetra manokana ny Jirama Toamasina manomboka izao amin’ny famantarana ireo mpiasany, sy namoaka laharana an-tariby ihany koa izy ireo ahafahan’ny mpanjifa miantso azy ireo raha misy ny mampanahy sy mampiahiahy ireo mpiasa manao ny asany ara-dalana, dia ny laharana 0348300501.
Malala Didier