Niverina tany amin’ny tany niaviany izy ary mba nanao asa soa ho fampifaliana ny mpiara-monina. Kinanjo nivadika zavatra hafa mihitsy ny resaky ny tao an-tanàna ary vetivety dia tonga tao amin’ny trano nisy azy ny olona marobe. Tao amin’ny fokontany Andrasaha-Ambinany, ao Sambava, no nisehon’ity tranga ity. Novorian’ilay mpiasam-panjakana teo anivon’ny faritra Sava ny tanora izay tratra antso tao amin’ilay tanàna. Rehefa izany dia nizarany kojakojam-pianarana sy baolina mba ho fanampiana azy ireo. Tampoka teo anefa dia nivadika tanteraka ny zava-nisy rehefa tonga ny tanora am-polony maro. Ireo dia nanahy azy ho mpangala-jaza, araka ny tsaho izay niely tao an-toerana. Nidaroka avy hatrany ireo ary tsy nisy resaka azo natao fa avy hatrany dia ny namono ilay rangahy ny tanjon’ireo. Naratra mafy ary voatery nentina teny amin’ny CSB ilay rangahy. Rehefa vita ny fitsaboana izay natao tao amin’io toeram-pitsaboana io dia tsy maintsy nentina niditra teny amin’ny hopitaly, satria voafetra ihany ny azo natao tao amin’ilay toeram-pitsaboana voalohany. Mpanara-maso ny hetra aloa eny anivon’ny barazy fandalovan’ny fiara lehibe no asan’ilay rangahy eo anivon’ny faritra Sava. Mandeha ny fanadihadiana amin’izao fotoana, satria nisy ny vono sy ratra niniana. Isan’ny fantarina voalohany ao anatin’izany ny momba ireo nandray anjara tamin’ny fikasihan-tànana ary indrindra koa ny niavian’ny tsaho. Niainga tanteraka tamin’ny tsaho niely faran’izay haingana tokoa ny zava-nisy, satria raha misy fikasàna hangala-jaza izany dia tsy ny tanora mihitsy no novorian’ilay olona ka nanaovany asa soa. Tondro molotra ankehitriny dia efa mety hahafaty, satria betsaka ny olona no tsy afaka mandinika intsony na koa mamakafaka ny zava-misy. Ary saika izany hatrany no nahafaty ny olona niharan’ny fitsaram-bahoaka hatrizay. Raha tsy tonga ara-potoana ny olo-be na koa miditra an-tsehatra ny olom-boafidy dia efa fatiolona hatrany no hita.
D.R