Ankoatra ny rongony ravina, izay efa iaraha-mahalala fa mirongatra izay tsy izy ny fivarotana azy dia miainga any koa ny trafika rongony mahery vaika. Ny alahady lasa teo dia olona telo, teratany afrikanina ny roa ary vehivavy malagasy ny iray, no voasambotry ny pôlisy misahana ny fikarohana ny ady heloka bevava etsy Anosy, sakelika fahefatra. Araka ny fampitam-baovao azo dia vaovao avy am’n’ny olona tsara sitrapo no nandrenesan’izy ireo ny fisian’ireto tambajotra mivarotra rongony mahery vaika ireto ary manaparitaka izany eto an-drenivohitra. « Natao ny fanaraha-maso sy ny fitsirihana an’ireo olona izay heverina fa hanatanteraka izany asa ratsy izany ; koa ny harivan’ny alahady faha-11 novambra 2018 lasa teo tamin’ny 07 ora latsaka 05 minitra teo ho eo no tra-tehaka ireo olona miisa telo tetsy Faravohitra, izay teratany afrikanina ny roa ary Malagasy ny iray, izay vehivavy, nahatratrarana zava-mahadomelina antsoina hoe « Amphetamine » milanja 504 grama», hoy ny vaovao. Marihana, hoy hatrany ity fampitam-baovao avy amin’ny pôlisim-pirenena ity, fa tao anatin’ny famotorana no nahafantarana fa vadin’ilay lehilahy teratany afrikanina sarona tetsy Ivandry ity ramatoa voasambotra ny alahady lasa teo ity. Rehefa voasambotra ilay vadiny ary nadoboka eny Antanimora dia nitohy nanao ny asa ratsiny ihany ramatoa, ary niaraka tamina teratany vahiny hafa, izay vao tonga teto amintsika andro vitsy monja izay. Raha ny fantatra moa dia manodidina ny 70.000 ariary eo ho eo no hivarotan’ireto olon-dratsy ireto ny grama amin’ilay rongony. Omaly izy telo mianadahy no natolotra teny anivon’ny Fampanoavana ary nadoboka am-ponja vonjimaika ihany koa mandra-piandry ny fotoam-pitsaràna azy ireo.
m.L