- Publicité -
samedi, juillet 5, 2025
AccueilFaits-DiversToliara : Olona telo voasambotra, sokatra 7347 nogiazana

Toliara : Olona telo voasambotra, sokatra 7347 nogiazana

Tao amin’ny tanàna iray antsoina hoe Tongobory no nosamborina ireo olon-dratsy, mpanao trafika sokatra. Sarona tao amin’ny trano hazo izay fiafenan’izy ireo sady fanafenany ireo biby arovana ireo sokatra 7347. Olon-tsotra no nanome vaovao ny tambajotra izay miady amin’ny fanondranana sokatra ka nahafahana nanao fanadihadiana sy namantatra ny misy ireo olona. Vehivavy ny iray amin’izy ireo.  Efa ho efa-bolana no nitazonan’izy ireo ny sokatra an’arivony, tao amin’io toerana io. Nisy 32 ny maty tamin’ireo biby,  noho ny hanoanana. Betsaka tamin’izy ireo no efa napetraka tao anaty kesika izay misy marika tsirairay avy. Raha ny fahitan’ny manampahaizana izay nijery ifotony tany an-toerana, dia efa nitety toerana maro ireo sokatra ireo talohan’ny nahatongavan’izy ireo tao Tongobory. Tao izany no niandry izay fotoana hitaterana azy ho any Azia ireo sokatra, saingy tsy tontosa izany noho ny fahombiazan’ireo tambajotra miady amin’ny trafika. Raha ny tomba an’io tambajotra io, dia efa nahatratra 19.000 izay ny isan’ny sokatra  norobaina tao anaty faritra arovana ao amin’ny faritra Atsimo-Andrefana, hatramin’ny aprily tamin’ity taona ity.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici