- Publicité -
jeudi, juillet 3, 2025
AccueilFaits-DiversMarc Tatandraza : Nanomboka omaly ny fanadihadiana teto Tanà

Marc Tatandraza : Nanomboka omaly ny fanadihadiana teto Tanà

Ny sariny izay nisakafo tao Maevantanana tamin’ny fotoana nitondràna azy niakatra aty Tanà. (sary Zp)

Tsy niandry ela ny zandary fa ny alin’ny alakamisy teo ihany dia efa nampakarina taty an-drenivohitra ary nandalo tamin’ny lalam-pirenena fahefatra i Marc Tatandraza, na ny apostoly Tatandraza. Notazomina avy hatrany ao amin’ny biraon’ny zandary ary nanomboka omaly teto an-drenivohitra ny fakàna am-bavany azy. Marobe ny vesatra ara-pitsaràna izay hanenjehana azy. Miainga amin’ny fanodinkodinana zaza tsy ampy taona izany, ny fisolokiana sy fangalarana ny volan’ny fiangonana, ny fisandohana ho mpaminany. Ary ny tena mavesatra indrindra dia ny fanakorontanana ny saim-bahoaka avy amin’ny alàlan’ny famoizany tamin’ny vahoaka fa nitsangana tamin’ny maty izy. Nanomboka teo, tamin’ny voalohan’ny taona,  no namoahan’ny zandary didy fampisaborana ity mpaminany sandoka ity ary tsy hita mihitsy izay nisy azy raha tsy efa ho herintaona taty aoriana. Izy anefa dia tsy miafina mihitsy amin’ny tambajotra sosialy ary tsy mijanona mihantsy ady amin’olona na koa ireo mpitandro ny filaminana izay mitady azy eraky ny nosy. Ny nahatratrarana azy dia ny fivahinianany tao amin’ny fahitalavitra iray tao Mahajanga. Teo dia avy hatrany dia nandrasan’ny zandary fotsiny raha nivoaka tao amin’io haino aman-jery io. Ny alin’iny ihany izy dia efa nentina niala tao Mahajanga. Amin’ny lafiny iray dia mba ho fiarovana ny ainy ihany, satria efa betsaka ny olona no tezitra mafy amin’ity mpaminany sandoka ity. Ny tena mahatalanjona dia ny mbola inoan’ny olona ihany ny mpisandoka toa itony. Tsy izy irery ihany aza fa mbola misy kosa ny sasany izay tena diso tanteraka ny faminaniany kanefa dia mbola inoan’ireo mpomba azy hatrany ary mbola lalainy aza. Isan’ny sehatra iray miroborobo any amin’ny firenena mahantra ny fisian’ny fiangonana tsy marim-pototra, izay hatsangan’ny mpaminany sandoka. Eto amintsika dia tena feno izany ary tsy misy fepetra raisina raha tsy efa manao sangy mihoatra ny loha ireo olon-dratsy.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici