- Publicité -
jeudi, juillet 3, 2025
AccueilFaits-DiversFakàna an-keriny : Marary i Nassir Sivjee

Fakàna an-keriny : Marary i Nassir Sivjee

Raha iny votsotra afak’omaly alina iny ilay teratany karàna tompon’ny « Makiplast », hatramin’izao kosa, dia tsy mbola nandrenesam-baovao ny mahakasika an’i Nassir Sivjee. Teratany karàna hafa,  nisy naka an-keriny, ny alarobia hariva lasa teo, tetsy amin’ny trano fonenany tetsy Androhibe.

Tsiahivina anefa fa tsy dia salama ara-batana loatra ity tale jeneralin’ny orinasa Conforama ity. « Efa ho roa taona izao no taizan’aretina izy ary mila mihinana fanafody isan’andro mba hitazomana ny ainy », raha ny fanazavàna azo. Etsy andanin’izay anefa, io fanafody tokony hohanina io dia tsy misy eto an-toerana akory fa mbola mila hafarana any ivelany ihany koa. Araka izany, manahy mafy ny fianakaviany sy ny manodidina azy satria « ny aretina mahazo azy io koa dia tsy mahazaka « stress » na tebiteby fa mety vao mainka hahafohy ny andro iainany avokoa izany ». Manantena araka izany ny fianakaviana fa dia tsy haharitra ela izao fanagejana azy izao, ary mba hanana fo miantra ireo olona mety hitazona azy any.

Nangonin’i m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici