- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversAmboasary Atsimo : Fanafihan-dahalo, olona 2 maty voatifitra, am-polony hafa naratra mafy

Amboasary Atsimo : Fanafihan-dahalo, olona 2 maty voatifitra, am-polony hafa naratra mafy

Nisehoana fanafihan-dahalo nahery vaika indray tany amin’ny Kaominina ambanivohitr’i Tsivory, ao anatin’ny Distrikan’ Amboasary Atsimo, Faritra Anosy, afak’omaly naraim-be tokony ho tamin’ny efatra ora, tao amin’ny fokontany Fandranarivo, ka fokonolona roa no namoy ny ainy ary am-polony kosa ireo naratra mafy voatifitra. Ity tanàna voatafika ity, dia miala 8 km andrefan’i Tsivory renivohitry ny kaominina, izay manaraka ny lalam-paritany (RIP 117) mihazo an’i Marotsiraka mivoaka amin’ny RN 13 ao Andalatanosy. Noho ny faharatsian-dalana misy, eo ihany koa ny fahalaviran’ny tobin’ny mpitandro filaminana ary ny tsy fisian’ny tambajotram-pifandraisana mampijaly ny vahoaka, dia miliba ireo dahalo tsy niova fo antsoin’ny mponina any an-toerana hoe : kotro izay tsy matahotra fanjakana intsony. Raha ny fampitam-baovao voaray, dia nanodidina ny 80 isa eo ireto andian-dahalo nanafika izay nitam-piadiana avokoa izy ireo.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici