Isan’ny miteraka korontana sy tahotra eny anivon’ny fiarahamonina tokoa ity tsaho fanakorontanana ity. Indrindra moa fa ireo mponina eny amin’iny faritra Ambohimangakely sy ny manodidina, taorian’ny fisian’ilay trakta niparitaka nampilaza ny fiavian’ny jiolahy iny. Tamin’ity indray mitoraka ity indray, ny zoma alina lasa teo dia niely ny feo fa misy andian-jiolahy manafika ao Ambatotokana, fokontany Tsarahasina, Ambohimangakely. « Nandositra avokoa ny mponina ary nisy sasany nandeha nisitrika tany am-piangonana ». Tamin’io fotoana io, dia nisy zandary nanatanteraka fisafoana toy ny fanaon’izy ireo isan’alina tsy lavitra teo. Nidina avy hatrany tany amin’ity tanàna voalaza fa notafihan’ny jiolahy ity izy ireo, kanjo tanàna matory sy milamina ny tao. Rehefa nojerena indray ny tany am-piangonana voalaza dia hita fa nisy olona tokoa, saingy olona manao alim-bavavaka. Tamin’izay no tsikaritra fa nisy lehilahy iray nijorojoro teo am-bavahadim-piangonana ary nitsoaka raha vao tonga ny zandary. Nezahana notadiavina sy nosamborina io. Nilaza moa ity lehilahy 40 taona ity, fa izy no nanaparitaka ilay feo, ary mbola nanamafy fa nisy jiolahy nanafika ny tanàna. Nandà izany ankitsirano anefa ireo fokonolona tao an-toerana. Nosamborina avy hatrany araka izany ity farany. « Toa ny faritra rehetra, dia tsy ilaozan’ny mpanao ratsy ny eny Avaradrano. Na izany aza anefa dia manao ny ainy tsy ho zavatra ireo zandary miara-miasa amin’ny andrimasom-pokonolona misoroka izay mety ho ratsy tsy ampoizina. Miteraka tahotra sy horohoro ho an’ny mponina anefa ny fanelezana tsaho toy izao nataon’ity ranamana ity izao ka natao ny famotorana azy io ary hatolotra ny Mpampanoa lalàna tsy ho ela ny raharaha » hoy ny fampitam-baovao azo avy tamin’ny zandary
m.L