- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversFaliarivo-Ampitatafika : Tokantrano telo nasesin’ny jiolahy notafihana

Faliarivo-Ampitatafika : Tokantrano telo nasesin’ny jiolahy notafihana

Tokantrano telo ao amin’ny tanan’Ambohimangidy ao Faliarivo-Ampitatafika no lasibatry ny jiolahy ny alin’ny Sabotsy 16 hifoha Alahady 17 novambra teo. Araka ny loharanom-baovao avy amin’ny zandarimariam-pirenena, dia jiolahy tsy fantatra isa no nanatanteraka izany tamin’ny 12 ora 30 alina raha tena tao anatin’ny torimaso tanterka ny tompontrano. Novakian’ireo jiolahy ny varavarana mba hidiran’izy ireo tao an-trano. Vokany, tsy nisy afa-nanohitra ireo izay notafihina ka tsy nisy naratra na aina nafoy. Betsaka kosa anefa ny zavatra very. Televiziona « écran plat » iray, finday iray, sy vola 1 000 000 ariary no voaroba tao amin’ny tokantrano voalohany izay lehilahy 44 taona no niharan’izany. Akoholahy iray kosa no tao amin’ny tokantrano faharoa izay lehilahy 44 taona no tompony.  Vehivay 38 taona no tompon’ny trano fahatelo ka voaroba tamin’izany ny fahana finday (Telma, Airtel, Orange) mitentina 12 000 ariary, menaka fandrahoan-tsakafo tao anaty jerikana 5 litatra, ary vola 30 000 ariary. Rehefa nandre izany ny zandary, dia nidina teny an-toerana nizaha ifotony ny raharaha ary nanao ny fikarohana ireo olon-dratsy izay mbola tsy mlisy tratra hatreto.

T.M.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici