- Publicité -
dimanche, juillet 20, 2025
AccueilFaits-DiversMarc Tatandraza : Nalefa any Ambovombe natao fanadihadiana

Marc Tatandraza : Nalefa any Ambovombe natao fanadihadiana

Tsy notazomina ela tao amin’ny biraon’ny mpanao fanadihadiana tetsy amin’ny Toby Ratsimandrava fa ny faran’ny heriandro teo ihany, ny asabotsy raha ny fanamarinana azo, dia efa notaterina nankany Ambovombe-Androy ny lehilahy. Tsy iza izany fa I Marc Tatandraza, ilay milaza ho mpaminany sy nitarika fiangonana zandriny ary lasa niteraka korontan-tsaina ho an’ny olom-pirenena ny zavatra nataony. Isan’izany ny faminaniana sandoka sy ny fanaovana sinema mba hanandratany tena ka nilazany fa nitsangana tamin’ny maty izy. Misy akony tamin’ny fiandrianan’ny olona izany ka nahatonga ny lehilahy ho namoahana didy fampisamborana tamin’ny taon-dasa teo. Izy rahateo dia efa manana fitoriana maromaro izay mahakasika raharaha samihafa. Isan’izany ny fanodikodinana ny volam-piangonana, ny fanodikodinana zaza tsy ampy taona ary koa ny fisolokiana sy fisandohana. Izany rehetra izany, miampy izay tsy mbola fantatra, no indray mitambesatra ao an-damosin’ity milaza ho mpaminany sy apostoly ity. Ny mahatalanjona eto amintsika dia mbola misy mino ihany itony mpaminany sandoka itony. Ny sasany efa tsy misy mandeha amin’izay laoniny mihitsy ny faminaniany, toa ilay iray izay nilaza fa hapetraky ny Malagasy hitantana azy. Eo koa ry Tatandraza izay nataon’ny mpomba azy ho toa ny mpanjaka mihitsy tany ambanivolo tany. Taterina amin’ny filanjàna ary tsy manitsaka raha tsy eo ambony lamba mena. Tsy eto amintsika ihany fa eto amin’ny firenena afrikana maro no miroborobo ny finoanoam-poana ka mahatonga ireny mpaminany sandoka ireny hahazo vahana. Iraisan’ny firenena mahantra ny firoborobon’izy ireny ary mahatohina ny fiangonana lehibe izany matetika kanefa tsy azo toherina mivantana satria ny lalàna dia tsy afaka mandrara ny finoan’ny olona. Ny politika rahateo manosika ny firoborobony. Isan’ny niteraka resa-be ny fanomezan-dàlana avy amin’ny governemanta teo aloha ho an’ny finoana iray mba hanorina ny trano fiangonany izay miisa aman-jatony eto amintsika. Mbola ady mangotraka arak’izany ny fanafoanana ny fisolokiana avy amin’ireny karazan’olona ireny.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici