Araka ny didim-pitondram-paritra laharana 021 ny 13 novambra 2018 noraisin’ny lehiben’ny faritra atsinanana Talata Michel, dia manomboka anio 19 novambra 2018 amin’ny 06ora hariva no hisokatra ny taom-panondranana lodsia amin’ny alalan’ny sambo misaritaka amin’ity taom-pihotazana 2018 – 2019. Sambo roa dia ny Baltic Klipper sy ny Atlantic Klipper no haka ireo lodsia amin’ity taom-pihotazana ity, izay samy hijanona efatr’andro na dimy andro avy eto Toamasina ireo sambo roa ireo, izany hoe folo andro eo dia hifarana ny fanondranana lodsia misaritaka saingy hitohy hatramin’ny faran’ny volana desambra kosa ny fanondranana amin’ny kaontenera.
Manodidina ny 17.000 taonina eo anefa ireo lodsia hahondrana amin’ity taona ity, ka ny 14.000 taonina dia amin’ny alalan’ireo sambo misaritaka ireo, fa ny 3.000 taonina kosa dia amin’ny alalan’ny kaontenera izay saika ny firenena aziatika sy arabo ary etazonia no hanondranana azy. Hisy koa ankilan’ireo ny fanondranantsika Malagasy lodsia 1.000 taonina any Rosia araka ny fifanarahana teo amin’ny faritra atsinanana sy ireo mpandraharaha Malagasy ary ireo mpandraharaha Rosiana. Eo koa ny fiaraha-miasan’ireo mpandraharaha Malagasy miaraka amin’ny “Havamad” hanodina ny vokatra lodsia eto an-toerana ho lasa zava-pisotro sy ho lasa sakafo manokana, ankoatra ireo hiditra eo anivon’ny tsena anatiny indrindra ireo tsena goavana.
Ankoatra izay dia mbola tena ankamantatra ny ho vidin’ny lodsia eny amin’ireo tantsaha sy ireo mpandraharaha mpanondrana amin’ity taona ity, satria samy mbola mihazona izany ho tsiambaratelo avokoa na ireo mpandraharaha, na ireo tantsaha, na ireo mpanangom-bokatra, hiala amin’ny fifaninana diso toerana; fa raha ny taona lasa no iverenana dia niatomboka tamin’ny 1.000 ariary ny kilao tamin’izay ary niafara tamin’ny 2.500 ariary roa andro taorian’izay.
Nametraka fepetra henjana iarahan’izy ireo amin’ny mpiasan’ny kaominina sy ireo mpitandro ny filaminana koa ny mpandraharaha sy ny faritra atsinanana ary ny kaominina amin’ny fandotoana ny Tanana amin’ireo fakon’ny lodsia. Efa misy ny toerana fanariana ny fako napetraka izy ireo amin’ny lalana fidirana ny lalam-pirenena faha-05 ao Analamalotra, sy ny lalam-pirenena faha-02 ao Tanandava, sazy henjana no azon’ireo mpandoto Tanana mandritra ity taom-pihotazana ity.
Malala Didier