- Publicité -
dimanche, juillet 20, 2025
AccueilFaits-DiversIfanadiana : Fiara voatafika, tovovavy kely 14 taona voatifitra

Ifanadiana : Fiara voatafika, tovovavy kely 14 taona voatifitra

Tato anatin’ny iray volana dia nanao tohi-vankana ny fanafihana amin’ny andro atoandro be nanahary amin’ny lalanam-pirenena faha-7 sy ny faha-25. Afak’omaly, fiara iray avy ao Ranomafana Ifanadiana no nosakanan’ny dahalo teo anelanelan’ny Vohiparara sy Ambalakindresy, ka tovovavy kely iray 14 taona no voatifitra teo amin’ny handriny sy teo amin’ny masony havanana. Voavonjy ara-dalana ity zazavavy ity, ka manaraka fitsaboana izy amin’izao, ary tsy ahiana intsony ny ainy, raha ny nambaran’ny dokotera mandray an-tanana ny fitsaboana azy. Noho ny firongatry ny fanafihana fiara ataon’ireo dahalo mpanakan-dalana mitam-basy ao Ambalakindresy, dia mangataka ny hanaovana maika « opération fampandrian-tany » ny mponina sy ireo mpampiasa lalana, satria tamin’ity taona ity fotsiny raha ny tarehi-marika azo, dia efa am-polony ny fanafihana nitranga tamin’io toerana io.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici