- Publicité -
dimanche, juillet 20, 2025
AccueilFaits-DiversMaevatanàna : Lehilahy voatondro ho dahalo matin’ny fitsaram-bahoaka

Maevatanàna : Lehilahy voatondro ho dahalo matin’ny fitsaram-bahoaka

Olona manodidina ny telon-jato tany ho any no nitangorona nitokona sady nitabataba teo anoloan’ny biraon’ny miaramila sy biraon’ny kaominina, ny herinandro lasa teo, tokony ho tamin’ny 10 ora misandratra andro teo. Araka ny  fanazavana azo avy an an-toerana dia, hanao fiotokona anoloan’ireo birao voalaza etsy aloha ireo noho ity fahafatesana olona izay voalaza ho dahalo matin’ny fitsram-bahoaka  ireo havany miaraka amin’ireo  olona sasany mpikambana ao am’ny foko Betsirebaka.  Araka ny fampitam-baovao hatrany, dia nilaza ireto fianakavina fa tany tan-dàlana i Madagasikara, ary tokony nandray ny andrakiny ireo tomponandraikim-panjakana tany an-toerana fa tsy faly nijery fotsiny ny famonoana ny havany. Noho izany dia tsy hanaiky velively izy ireo, ary mety hiafara amin’ny maty solon’ny maty mihitsy izany, hoy hatrany ny vaovao voarainay avy an an-toerana. Voatery niditra an-tsehatra ihany  ny mpitandro ny filaminana sy ny ben’ny tanàna tao Madiromirafy nanazava tamin’ireo olona ny tokony hataony. Nandà mafy hatrany moa ireto farany, saingy lasa tsikelikely nandeha nody no sady niteny hoe omeo anay ireo olona namono ny fianakavianay  mba  ataonay fitsaram-bahoaka ihany koa. Rehefa lasa moa ireto fianakavian’ny maty sy ny foko Betsirebaka izay tsy nahazo rariny tamin’ireo miaramila sy ny ben’ny tanàna dia, ny alin’io  andro io ihany no niparitaka eran’ny tanàna ny trakta milaza fa ho avy ireo foko Betsirebaka hamono izay nahavita namono ny olona mitovy karazana aminy no sady hanafika tanànan’i Madiromirafy, raha toa ka tsy misy hatrany ny fandraisana andraikitra ataon’ny mpitondra fanjakana. Manoloana izany dia miaina ao anaty tebiteby tanteraka ny mponina any amin’iny faritra iny. Raha zohiana ny zava-nitranga dia ny tapa-bolana lasa teo no nahita olona iray nitondra basy  teny an-tsaha ny fokonolona tao amin’ny fokontany Ambodirano, ka nosamborin’izy ireo avy hatrany ilay lehilahy no nentina nianatsimo hodoran’izy ireo velona, saingy tafaporitsa ihany izy. Raikitra ny fifanenjehana teo amin’ny roa tonta, efa teny am-pelatan’ny miaramila tao Madiromirafy ilay rangahy no tratra, ka izao niafara tamin’ny fitsaram-bahoaka izao. Rehefa nahare izany kosa ny fianakviana dia tsy nanaiky. Misavoritaka ny any an-toerana amin’izao fotoana izao, satria tonga hatramin’ny fanafihana tanàna ataon’ireto fianakavian’ny maty ireto ny raharaha.

Ratantely

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici