- Publicité -
lundi, juillet 21, 2025
AccueilFaits-DiversSambava : Renim-pianakaviana mpivarotra najavona efa ho 3 volana 

Sambava : Renim-pianakaviana mpivarotra najavona efa ho 3 volana 

Rtoa Misizara Arline, renim-pianakaviana mpivarotra iray 32 taona, najavona tsy hita popoka efa ho telo volana.

Nanomboka ny enina aogositra lasa teo no najavona, ka mbola tsy hita popoka hatramin’izao ary tsy fantatra na maty na velona i Misizara Arline, renim-pianakaviana iray 32 taona izay monina any Andranomasibe I Distrikan’i Vohemar. Handeha hividy entana any Sambava no najavona tampoka ity renim-pianakaviana mpivarotra ity. Raha ny fanazavana azo, dia ny tolakandron’ny alahady 5 aogositra lasa teo, tokony tamin’ny efatra ora i Arline no niantso ny rahavaviny izay monina ao Soavinandriana Sambava, ary nilaza izy tamin’izay fa « zaho efa tonga Sambava e, fa rahampitso efa mody raha mahazo entana. » Ary nanafatra mafy an-janany vavy 18 taona an-telefaonina ihany koa ity renim-pianakaviana ity, ary nilafa fa « rahampitso maraina izaho mandalo ao aminareo Antsirabe Nord, ka mety tsy hiaraka isika fa izaho tsy maintsy mandalo ». Nandrasana anefa ny andro alatsinainy io, fa tsy nipoitra i Arline. Nantsoin-janany tamin’ny telefaonina tokony ho tamin’ny 12 ora antoandro mba hanontanana aiza ho aiza ianao izao, nefa samy efa tsy tratra antso intsony ny findainy roa nanomboka teo.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici